Content-Length: 100682 | pFad | https://mg.wikipedia.org/wiki/Pio_XI

Pio XI — Wikipedia Aller au contenu

Pio XI

Avy amin'i Wikipedia
Papa Pio XI

I Pio XI no evekan' i Rôma faha-259 sy papa tao amin' ny Eglizy Katôlika nanomboka tamin' ny 6 Febroary 1922 ka hatramin' ny 10 Febroary 1939. Amin' ny teny italiana izy dia atao hoe Pio XI fa amin' ny teny latina kosa dia Pius XI. Teraka tamin' ny 31 Mey 1857 tao Desio (Fanjakan' i Lômbardia-Venetia) izy ary nomena ny anarana hoe Ambrogio Damiano Achille Ratti tamin' ny fahaterahany. Maty tamin' ny 10 Febroary 1939 tao Vatikana. Izy no mpitondra voalohany tao amin' ny Fanjakan' i Vatikana tamin' ny nanaovana an' ity tanàna ity ho fanjakana mahaleo tena tamin' ny 11 Febroary 1929. Nitoetra ho lohan' ny Eglizy Katôlika izy mandra-pahafatiny tamin' ny Febroary 1939. Ny hoe "Pax Christi in Regno Christi", no teny filamatr' ity papa ity, izay midika hoe "Ny fiadanan' i Kristy ao amin' ny Fanjakan' i Kristy".

Namoaka ensiklika maro i Pio XI, anisan' izany ny Quadragesimo anno tamin' ny faha-40 taonan' ny ensiklika sôsialy Rerum novarum nataon' ny papa Leô XIII, izay nanasongadina ny fitiavam-bola kapitalistan' ny fandraharahana ara-bola iraisam-pirenena, ny loza ateraky ny sôsialisma/kôminisma, sy ny olana momba ny rariny ara-tsôsialy, ary ny Quas primas, izay mametraka ny Fetin' i Kristy Mpanjaka ho setrin' ny fanoherana ny mpitondra fivavahana (antiklerikalisma). Ny ensiklika Studiorum ducem, navoaka tamin' ny 29 Jona 1923, dia nosoratana tamin' ny faha-6 taonan' ny fanokanana ho olo-masina an' i Tômà avy any Akoino, izay heverina ho ivon' ny filôzôfia sy teôlôjia katôlika. Ity ensiklika ity ihany koa dia manondro manokana ny Pontificia Studiorum Universitas a Sancto Thoma Aquinate in Urbe (Oniversite Pôntifikaln' i Md Tômà avy any Akoino), Angelicum ho fikambanana ambony indrindra amin' ny fampianarana an' i Tômà: "ante omnia Pontificium Collegium Angelicum, ubi Thomam tamquam domi suae habitare dixeris" ("alohan' ny hafa rehetra ny Kôlejy Pôntifikaly Ajelika, izay azo lazaina fa onenan' i Tômà"). Ny ensiklika Casti saisbii, izay navoaka tamin' ny 31 Desambra 1930, dia nandrara ny Katôlika tsy hampiasa fanabeazana aizana.

Mba hametrahana na hitazonana ny toeran' ny Eglizy Katôlika dia namarana kônkôrdata betsaka tsy misy toa azy i Pio XI, anisan' izany ny Reichskonkordat niarahana tamin' i Alemaina Nazi, izay nomelohiny ny famadihana nataony efa-taona taty aoriana tao amin' ny ensiklika Mit brennender Sorge ("Miaraka amin' ny Ahiahy mirehitra"). Nandritra ny fotoana naha papa azy dia voavaha soa aman-tsara tao amin' ny Fifanarahana tao Lateran (latina: Pacta Lateranensia) tamin' ny taona 1929 ny tsy fifankahazoana naharitra ela tamin' ny fitondram-panjakana italiana momba ny toeran' ny fitondran' ny papa sy ny Eglizy any Italia. Tsy afaka nanakana ny fanenjehana ny Eglizy sy ny famonoana ny mpitondra fivavahana tany Meksika sy tany Espaina ary tany amin' ny Firaisana Sôvietika izy.

Nanokana olo-masina manan-danja maro i Pio XI, anisan' izany i Thomas More (Anglisy), i Pieter Kanis (Neerlandey), i Bernadette de Lourdes (Frantsay), ary i Don Bosco (Italiana). Nambarany ho ho olon-tsambatra sy olo-masina i Thérèse de Lisieux (Frantsay), izay nanaovany fanajana manokana, nataony ho olo-masina mitovy amin' izany koa i Albertus Magnus (Alemana), ka nantsoiny hoe "Mpampianatry ny Eglizy" noho ny hery ara-panahy nananan' ny asasorany. Tena nahaliana azy ny hampiroborobo ny fandraisana anjaran' ny laîka manerana ny Eglizy Katôlika, indrindra amin' ny "Hetsika Katôlika" (hetsika mahakasika ny sôsialy). Nanjakan' ny lahateny manohitra an' i Hitler sy an' i Mussolini, ary niaro ny Eglizy Katôlika amin' ny fitsofotsofohana amin' ny fiainana sy ny fanabeazana katôlika, ny fiafaran' ny fitondran' i Pio XI.

Maty tamin' ny 10 Febroary 1939 tao amin' ny Lapa Apôstôlika na Lapan' i Vatikana (latina: Palatium Apostolicum) i Pio XI ary nalevina tao amin' ny Lavabaton' ny Papa ao amin' ny Bazilika Masindahy Piera. Tamin' ny fikarohana toerana hanamboarana ny fasany dia nisy ambaratongan-toeram-pandevenana roa nahitana taolam-paty izay heverina fa taolan' i Md Piera ka hajaina fatratra ankehitriny.









ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Pio_XI

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy