Aller au contenu

Masoandro

Avy amin'i Wikipedia
Tapa-masoandro

Ny Masoandro (marika: ☉) dia kintana eo anivon'ny rafi-planeta misy ny Tany atao ho Rafi-planetan'ny Masoandro. Ny savaivony dia misy 1 392 000 km eo ho eo (in-109-n'ny savaivon'ny Tany). 99.86%-n'ny lanjan'ny Rafi-planetan'ny masoandro ny lanjan'ny masoandro, ao ny asteroida, ny komety ary ny fajiry. Ny masoandro dia voaorin'ny hidirozenina (73%), helioma (26%) ary ny 3% sisany dia zavatra toy ny okzizenina, ny argôna, ny neôna, ny vy sy karbônina.

Eny an-danitra, fotsy ny lokon'ny masoandro, mety mivadika mavomavo koa ny masoandro noho ny hahaka. Ny sokajin'ny masoandro dia G2V, tenenina tsotra hoe kintana mavo noho ny sandrahany mavo-maintso eo amin'ny ilotro. Ny 52 dia manoro ny hafanana eo amin'ny velaran'ny masoandro : 5,780 K (5,510 °C.) ny V (isa romana midika "dimy") dia kintana manome ny hazavany amin'ny alalan'ny fitsonika niokleary mampiasa hidirôzenina (manatsonika hidirôzenina mba hivadika helioma). Tahaka ny 85%-n'ny kintana misy ao amin'ny galaksia ny masoandro (ny 15% mijanona dia kintana kely dia kely na kintana vaventy. Ny fehibory mafanan'ny masoandro dia mivelatra lalandava hatrany amin'ny 100 UA (fr. Unité astronomique) any ho any. Ny bola anelan-kintana (fr. "interstellaire") na heliosfera, dia rafitra ngeza indrindra ato amin'ny Rafi-planetan'ny masoandro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Miteny anglisy

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy