31°31′N 34°37′E / 31.517°N 34.617°E / 31.517; 34.617

Tanànan' i Gaza

I Gaza dia tanàna ao amin' ny Fanjakan' i Palestina, tanàna nanome ny anarany ho an' ilay faritra lavalava antsoina hoe "Salavantanin' i Gaza". Indraindray izy dia antsoina hoe Tanànan' i Gaza mba hanavahana azy amin' ny Salavantanin' i Gaza, izay manondro ny faritra manontolo. Taorian' ny nametrahana azy amin' ny fahefana sivily sy miaramilan' ny Fahefana Palestiniana tamin' ny fampiharana ny fifanarahana tao Jerikô sy tao Gaza tamin' ny taona 1994 niaraka amin' i Israely dia izy no tanàna manan-danja indrindra eo ambany fahefan' ny Hamas nanomboka tamin' ny volana Jona 2007. Atao hoe غزة, / Ġazzah izy amin' ny teny arabo.

Salavantanin' i Gaza

Misy mponina efa ho 700 000 eo ho eo ny tanànan' i Gaza raha mihoatra ny 2 000 000 ny fitambaran' ny mponina ao amin' ny Salavantanin' i Gaza, ka ny ampahatelon' ireo dia mipetraka any amin' ny tobin' ny mpitsoa-ponenana palestiniana, ary ny ampahatelony hafa kosa dia mpitsoa-ponenana monina ivelan' ny toby. Antsoina hoe Gazaoy ny mponina ao.

Ny mampiavaka azy dia ny fisian' ny 60 % amin' ny mponina ao aminy izay olona latsaky ny 18 taona.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy