I Angletera (anglisy: England) dia ampahany lehibe indrindra ao amin' ny nosin' i Britaina Lehibe sy ny Fanjakana Mitambatra. I Angletera dia ao amin' ny ampahany manontolo ao atsinanan' i Kambria (anglisy: Walles) sy ao atsimon' i Skôtia (anglisy: Scotland). I Lôndra (anglisy: London) no renivohiny, izay tanàna lehibe dia lehibe sady seranan-tsambo lehibe any Angletera, izay ahitana mponina miisa maherin' ny 7.000.000 tamin' ny taona 2001. Ity tanàna ity ihany koa no renivohitry ny fiombonan' ny firenena miteny anglisy (anglisy: Commonwealth of Nations). Miendrika telolafy i Angletera ka ny tendrony ambony dia eo amin' ny vinanin' ny ony Tweed, eo an-tsisintany isarahany amin' i Skôtia. Ny Ranomasina Avaratra no ao atsinanany, ny Ranomasin' i Irlandy sy i Kambria ary ny Ranomasimbe Atlantika no ao andrefany. Ny ao atsimo dia ny Lakandrano Anglisy (frantsay: La Manche) sy ny Andilandranon' i Dover (frantsay: Pas de Calais). Manana velaran-tany mirefy 131 760 km2 i Angletera.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy