Aller au contenu

Simeôna (zanak' i Jakôba)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Simeona (zanak'i Jakoba))
I Simeona sy i Levy namono ireo Sikemita, nataon'i Gerard Hoet, taona 1728.

I Simeôna (hebreo: שִׁמְעוֹן‬ / Shim'ôn na Shime‘ôn) dia zanaka faharoan' i Jakôba amin' ny zanakalahiny roa ambin' ny folo izay zanany tamin' i Lea araka ny Bokin' ny Genesisy. Namaly faty ny anabaviny izy sy i Levy, dia ilay anabaviny atao hoe Dina izay naolan' ny zanaky ny mpanjaka tao Sikema. Novonoin' i Simeôna sy i Levy tamin' ny sabatra ny lehilahy rehetra tao amin' io tanàna io. Tsy nankasitraka izany i Jakôba rain' izy ireo (Genesis 34.25-29).

Tamin' ny nivarotana an' i Jôsefa tamin' ireo mpividy olona sy taorian' ny nahalasa mpanapaka an' i Jôsefa tao Ejipta dia naniraka nampaka an' i Benjamina rahalahin' izy ireo tany amin' i Jakôba i Jôsefa izay tsy fantatr' izy ireo tamin' izay, ka i Simeôna no notazomina tsy navela handeha mandra-pahatongan' i Benjamina any Ejipta.

Isan' ny taranak' i Simeôna i Jodita, ilay vehivavy ivon' ny resaka ao amin' ny Bokin' i Jodita.

Jereo koa:

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy