Content-Length: 84455 | pFad | http://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tanin%27_i_Israely&veaction=edit&section=1

Tanin' i Israely — Wikipedia Aller au contenu

Tanin' i Israely

Avy amin'i Wikipedia
Sarin-tany maneho ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà tamin' ny taona 926 tal. J.K.

Ny Tanin' i Israely dia faritra ara-jeôgrafia mahafaoka ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà, izay tany nipoiran' ny vahoaka jiosy. Atao hoe ארץ ישראל / Eretz Israel izy amin' ny teny hebreo (na hebrio).

Ao amin' ny Baiboly ny "Tanin' i Israely" dia:

  • teny ara-pivavahana satria manondro ny fanomezan' Andriamanitra; ampiasaina voalohany izany ao amin' ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 13.19)[1] [2];
  • teny ara-jeôgrafia koa; ny famaritana ara-jeôgrafia omen' ny Baiboly anefa tsy dia mazava loatra: ao amin' ny lahatsoratra sasany dia misy filazana ny Tany nomena izay toa manomboka any amin' ny "onin' i Ejipta hatrany amin' ny ony lehibe, dia ny onin' i Eofrata" (avy any Ejipta hatrany Iràka ankehitriny izany), ny lahatsoratra sasany milaza faritra eo anelanelan' ny ranomasina sy ny ony Jordana, izay mifandraindraika amin' ny faritra atao hoe Palestina[3];
  • teny ara-pôlitika koa: izany dia tany nomena ny Jiosy mba honenany, avy eo nanomboka tamin' ny mpanjaka Saoly (na Saola) mba hanorenana fanjakana.

Ny teny hoe "Tanin' i Israely" dia ampiasain' ny Jiosy sy ny Kristiana nandritra ny tantara. Io Tanin' i Israely io koa dia atsoin' ny Jiosy hoe "Tany nampanantenaina" mba hampahatsiahivana ny fampanantenana voalohany nataon' Andriamanitra tamin' i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nilazany ny hanomezany io tany io ho azy ireo sy ho lovan' ny taranak' izy ireo, araka ny voasoratra ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (Gen. 17.8)[4].

Ny anarana hoe "Tany Masina" dia ampiasain' ny Kristiana mba hampahatsiahivana ny fiainan' i Jesoa.

Taorian' ny fanaovan-tsesitany maro dia niparitaka manerana izao tontolo izao ny vahoaka jiosy. Misy fifamatorana ara-panahy mafy anefa ny "Fanambaràna ny fahaleovantenan' ny Fanjakan' i Israely" ankehitriny izay mampifandray azy amin' io tany io.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Ary teny amin' ny tanin' ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo." (1Sam. 13.9, Ny Baiboly)
  2. "Tsy nisy mpanefy teo amin' ny tanin' Israely rehetra, fa nataon' ny Filistina hoe: Aoka ny Hebrio tsy hahazo manefy sabatra na lefona intsony." (1Sam. 13.9, Ny Baiboly Masina)
  3. Jereo: Genesisy 15-18.
  4. "Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho." (Gen. 17.8, Ny Baiboly)








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: http://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Tanin%27_i_Israely&veaction=edit&section=1

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy