Content-Length: 94826 | pFad | https://mg.wikipedia.org/wiki/Solt%C3%A0na

Soltàna — Wikipedia Aller au contenu

Soltàna

Avy amin'i Wikipedia

Ny soltàna dia anaram-boninahitra nisaloran' ny mpanjaka tamin' ny firenena miozolmana sasany hatramin' ny arivo taona any ho any. Ny tany tapahin' ny soltàna dia atao hoe soltanata. Io anaram-boninahitra io no ambony indrindra aorian' ny kalifa. I Toghrul Bed (teraka tamin' ny taona 993 ary maty tamin' ny taona 1063), izay avy amin' ny dinastian' ny Seljokida no soltana voalohany tamin' ny taonjato faha-11. Nanjaka tao Bagdad izy teo anelanelan' ny taona 1038 sy 1063. Taorian' ny nahafatesan' i Toghrul Bed dia maro ireo mpanjaka miozolmana no nandray ny anaram-boninahitra hoe Soltàna, isan' izany ny soltànan' ny Empira seljokida sy ny soltànan' ny Empira ôtômana, ny soltànan' i Marôka, ary ny soltànan' i Kômôro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]








ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: https://mg.wikipedia.org/wiki/Solt%C3%A0na

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy