Content-Length: 74483 | pFad | http://mg.wikipedia.org/wiki/Passific_Coast_Ranges

Passific Coast Ranges — Wikipedia Aller au contenu

Passific Coast Ranges

Avy amin'i Wikipedia
Pacific Coast Ranges

Ny Pacific Coast Ranges, izay midika hoe "Tandavan-tendrombohitra amorontsirak' i Pasifika", izay antsoina hoe Pacific Mountain System (izay midika hoe "Rafi-Tendrombohitra Pasifika"), dia andiana tandavan-tendrombohitra any amin' ny morontsiraka andrefan' i Amerika Avaratra manomboka any Alaska atsimo ka hatrany amin' ny tapany avaratra sy afovoany amin' i Meksika.

Mount Logan (5 959 m)

Mahatratra 5 959 m ny tendro avo indrindra (eo amin' i Mount Logan ao Yukon any Kanada) ary 6 100 km ny halavan' ilay andiana tandavan-tendrombohitra. Mamakivavy ny tanin' i Etazonia sy i Kanada ary i Meksika ity andiana tandavan-tendrombohitra ity. Na dia heverina ho tandavan-tendrombohitra andrefana indrindra amin' i Etazonia sy i Kanada an-tanibe aza izy ireo dia any andrefana lavitra kokoa ny Insular Mountains ao amin' ny nosy Vancouver.

Toerana misy ny Pacific Coast Ranges amin' ny sarin' i Amerika Avaratra azon' ny zanabolana

Ny Pacific Coast Ranges dia ampahany amin' i North American Cordillera (Tandavan-tendrombohitrr' i Amerika Avaratra, indraindray fantatra amin' ny anarana hoe Western Cordillera, na any Kanada, amin' ny anarana hoe Pacific Cordillera sy/na Canadian Cordillera), izay mahafaoka koa ny Rocky Mountains, ny Columbia Mountains, ny Interior Mountains, an' i Interior Plateau, an' i Sierra Nevada, ny tandavan-tendrombohitra ao amin' i Great Basin na Gran Cuenca, ary ny tandavan-tendrombohitra sy lembalemba hafa ary ny deboka isan-karazany.

Ny anarana hoe Pacific Coast Ranges anefa dia anondroana ny Rafitra Andrefana ao amin' ny Western Cordillera, izay mahafaoka koa ny Saint Elias Mountains, ny Coast Mountains, Insular Mountains, ny Olympic Mountains, i Cascade Range, i Oregon Coast Range, ny California Coast Ranges, ny Transverse Ranges, ny Peninsular Ranges, ary i Sierra Madre Occidental.









ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: http://mg.wikipedia.org/wiki/Passific_Coast_Ranges

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy