Content-Length: 82071 | pFad | http://mg.wikipedia.org/wiki/Andriamanibavy

Andriamanibavy — Wikipedia Aller au contenu

Andriamanibavy

Avy amin'i Wikipedia
Ny andriamanibavy egiptiana Isisy.

Ny andriamanibavy dia andriamanitra inoana fa tsy lahy fa vavy. Matetika dia mifandray amin' ny hatsaran-tarehy, amin' ny fitiavana, amin' ny maha reny ary amin' ny fahavokarana ny andriamanibavy (toy ny andriamanibavy reny izay nivavahan' ny vahoaka sasany tamin' ny vanimpotoana talohan' ny tantara). Indraindray koa anefa dia ampifandraisina amin' ny resaka ady ara-tafika sy amin' ny famoronana ary amin' ny fahafatesana ny andriamanibavy. Ao amin' ireo fivavahana mivavavaka amin' andriamanitra maro (pôliteista) dia maro ireo andriamanibavy sy ny andriamanidahy ivavahana, izay heverina fa fisiana miavaka sy misaraka amin' izy samy izy. Ireo andriamanitra ireo dia mivondrona anaty panteôna na miahy fari-tany samihafa. Indraindray dia sady lahy no vavy ny andriamanibavy iray. Ny fivavahan' ny Egiptiana taloha, ny fivavahan' ny Mesôpôtamiana, ny fivavahan' ny Kanaanita, ny fivavahan' ny Grika taloha, ny fivavahan' ny Rômana taloha, ny hindoisma, ny taôisma, ny sintôisma, ny fivavahana seltika taloha, ny fivavahana jermaika taloha, ny gnôstisisma, ny fivavahana vikà, sy ny maro hafa koa, dia mino ny fisian' ny andriamanibavy.









ApplySandwichStrip

pFad - (p)hone/(F)rame/(a)nonymizer/(d)eclutterfier!      Saves Data!


--- a PPN by Garber Painting Akron. With Image Size Reduction included!

Fetched URL: http://mg.wikipedia.org/wiki/Andriamanibavy

Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy