Aller au contenu

Bielôrosia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Belarosia)
Sainan' i Belarosia
Sarin-tany maneho an' i Bielôrosia ao Eorôpa

I Belôrosia dia firenena ao Eorôpa Atsinanana. Ny renivohiny dia i Minsk. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 207 595 km2 ny velaran-taniny ary niisa 9 457 500 ny mponina tao aminy. Ny faritr' ora dia +3. Firenena tsy manana morontsiraka i Bielôrosia. Tany lemaka midadasika no manjaka amin' ny vohon-taniny, izay matetika be honahona sady ahitana ala midadasika koa. Manana farihy sy ony ary renirano mihoatra ny iray alina izy.

Ny Bielôrosiana no vahoaka maro an' isa mandrafitra ny mponina any Bielôrosia, manarakaraka azy ny Rosiana (mihoatra kely ny 10 %). Kristiana ôrtôdoksa ny ankamaroan’ ny mponina (80 %).

Miompana amin' ny taozava-baventy ny toekaren' i Bielôrosia. Sehatr' asa be mpisahana koa ny fambolena. Taorian' ny fipoahan' ny toby nokleary tany Tchernobyl tao Okraina dia 30 %n' ny tany no tratran' ny akora radiôaktiva ary 20 %n' ny tany no tsy azo ambolena.   

Sarin-tanin' i Bielôrosia

Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Bielôrosia (tao amin' ny Firaisana Sôvietika), izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mpikambana ao amin’ ny Fiombonan’ ny Fanjakana Mahaleo Tena izy.

Manjaka ao Bielorussia ny didy jadona Eoropeana: ny didy jadona amin'ny gony ovy an'i Alexandre Loukachenko, izay nifehy ny tapakila fividianana ovy tao amin'ny repoblika manontolo nanomboka tamin'ny 1994. Arak'izany, ampiasaina amin'ny fampijaliana amin'ny fanipazana ovy koa ny karatra fividianana ovy ary i Loukachenko no mitantana ny taniny, izay nafafiny ovy avy amin'ny fambolena tsy organika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Saritanin'i Belôrosia
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy