Aller au contenu

Repoblikan' i Kipra

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Kipra
Sarin-tanin' i Kipra

Ny Repoblikan' i Kipra na Repoblikan' i Sipra na Repoblikan' i Kiprôsy dia firenena mpikambana amin' ny Vondrona Eorôpeanina, ao amin ny ilany atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea, ery ampitan’ ny morontsirak’ i Torkia sy Siria ary Libàna.

Miompana amin’ ireo sehatr’ asa momba ny fizahàn-tany ny toekaren’ i Kipra.

Ny nosy Kipra dia ao amin’ ny toerana stratejika ao amn’ ny Ranomasina Mediteranea ka izany no mahatonga azy nisy mpanani-bohitra sy mpanjana-tany nandritra ny tantarany. Anisan’ ireo nanao izany tamin’ ny Andro Taloha ny Asiriana, ny Ejipsiana, ny Persiana ary ny Rômana. Tamin’ ny Andro Antenatenany dia mbola nitohy izany toe-javatra izany, ka ny Anglisy sy ny Frantsay sy ny Italiana ary ny Torka tamin’ ny Empira Ôtômana no nifehy an’ i Kipra. Tamin’ ny taona 1923 dia lasa zanatany tao amin’ ny Empira Britanika i Kipra. Nahazo ny fahaleovan-tenany anefa izy tamin’ ny taona 1960 sady nikambana ao amin’ ny Commonwealth. Vantany vao nanomboka ireo taona 1960 dia nisy ny disadisa teo amin’ i Kipriôta grika sy ny Kipriôta torka, noho izany dia nizara roa ilay firenena tamin’ ny taona 1974: dia ny Repoblikan' i Kipra ao atsimo sy ny Fanjakana kipriôta torka ao avaratra (eo ivelan' ny tsipika maitso, lasan' i Torkia sy ataony hoe azy, lasa repoblika hafa amin' ny anarana hoe Repoblika Torkan' i Kipra Avaratra), izay tsy misy mankato afa-tsy i Torkia. Tamin’ ny taona 2004 dia niditra ho mpikambana ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana ny Repoblikan’ i Kipra. Niditra tao anatin' ny faritra Euro i Kipra tamin' ny 1 Janoary 2008.

Toekarena

[hanova | hanova ny fango]

I Kipra no tany tena manana harena indrindra tao anatin' ny firenena 10 niditra tao anatin' ny Vondrona Eorôpeanina tamin' ny taona 2004, ny harin-karena faobe/olona dia 18 900 €. Tamin' ny taona 2007, ny fisongan' ny toekarena dia manakaiky ny 4,4 %, ny isan' ny olona tsy miasa 2,2 %, ary ny fiakaram-bidin' ny fiainana 2,2 %. I Kipra anefa tsy ao ivelan' ny fikorontanana ara-toekarena misy eto an-tany. I Charilaos Stravrakis niteny tamin' ny taona 2007 fa ny fisongan' ny toekarena dia nidina 3,5% isa-taona.

Demôgrafian' i Kipra, mari-drefy: 100 000:1

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy