Aller au contenu

Antrôpôlôjia

Avy amin'i Wikipedia

Ny antrôpôlôjia dia siansa eo am-pihaonan' ny siansan' ny mahaolona sy ny siansan' ny zavaboary, izay andalinana ny olombelona sy ny vondron' olombelona amin' ny endriny rehetra, na ara-batana izany (araka anatômia, ara-biôlôjia, araka môrfôlôjia, araka-piziôlôjia, araka ny fivoarany, sns), na ara-kolontsaina (ara-piarahamonina, ara-pivavahana, ara-psikôlôjia, ara-jeôgrafia, sns). Avy amin' ny tapa-teny grika roa ny teny hoe antrôpôlôjia, dia ny hoe ἄνθρωπος / anthrôpos, izay midika hoe "olombelona", sy ny hoe λόγος / logos, izay midika hoe "teny", "lahateny", "fandalinana", "siansa". Anisan' ny zana-taranjan' ny antrôpôlôjia ny antrôpôlôjian' ny fiarahamonina (na antrôpôlôjia sôsialy), ny antrôpôlôjian' ny fiarahamonina sy ny kolontsaina (na antrôpôlôjia sôsiô-koltoraly), ny antrôpôlôjian' ny fiteny, ny antrôpôlôjia biôlôjika, ny antrôpôlôjia fizika ary ny antrôpôlôjia arkeôlôjika.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy