Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika
I Palestina teo ambany fitantanan' ny Britanika, dia sata ara-pôlitika naroson' ny Fikambanan' ny Firenena tamin' ny taona 1920, izany dia naorina tamin' ny taona 1923, ho an' ny fizaràn-tanin' i Palestina izay anisan' ny Empira Ôtômana teo aloha, hatramin' ny taona 1948.
Tamin' ny 25 Avrily 1920, ny Fihaonambe tao San Remo, rehefa nanapa-kevitra fa ny fizaran-tany miteny arabo ao amin' ny Empira Ôtômana, izay ampahany amin' ny Empira afovoany resy nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia tsy homena an' i Torkia, dia nandray fehin-kevitra momba fanomezana ny Fanjakana Mitambatra faniraham-pitantanana an' i Palestina. Faniraham-pitantanana vonjimaika fotsiny izany, izay natao hohamafisin' ny Fikambanan' ny Firenena, izay mamaritra fa ao atsinanan' i Jordana ny sasany amin' ny fepetra ao amin' io faniraham-pitantanana vonjimaika io dia mety tsy ho azo ampiharina afa-tsy hoe amin' ny fankatoavan' ny Fikambanan' ny Firenena, nefa nanapa-kevitra ny hampihatra azy amin' ny 1 Jolay ny Britanika. Tamin' ny 8 Desambra 1920, ny Britanika dia nanolotra volavolam-paniraham-pitantanana raikitra. Nankatoavin' ny Filankevitry ny Fikambanan' ny Firenena izany tamin' ny 24 Jolay 1922.
Teo anelanelan' ny taona 1920 sy 1923, ny faniraham-pitantanana tany Palestina dia nahitana ny fizaràn-taritanin' ny Salavantanin' i Gaza ankehitriny, ny Fanjakan' i Israely (afa-tsy ny Lembalemban' i Golan), i Jôrdania Andrefana, ary i Emiratan' i Transjôrdania.
Tamin' ny 16 Septambra 1922, ny Filankevitry ny Fikambanan' ny Firenena dia namoaka fehin-kevitra fankatoavana ny tolo-kevitra avy amin' ny Fanjakana Mitambatra hanaisotra an' i Transjôrdania (izay ho lasa Emiratan' i Transjôrdania aty aoriana, noforonina tamin' ny volana Mey 1946) tsy ho anisan' ny fizaran-tany tantaniny, ary nanomboka nanan-kery tamin' ny 29 Septambra 1923 ilay faniraham-pitantanana. Ny fepetra momba izany sy ny fetrany no fototry ny fifampiraharahana teo amin' ny Britanika, ny Frantsay ary ny mponin' i Palestina (na inona na inona fivavahany) teo amin' ny sehatry ny fifanarahana sy fampanantenana samihafa natao teo amin' izy ireo. Ny faniraham-pitantanana dia mikendry ny hametraka ao Palestina ny "akanim-pirenena ho an' ny vahoaka jiosy miorina amin' ny rohy ara-tantara eo amin' ny vahoaka jiosy sy i Palestina mba hanorenana indray ny akanim-pireneny ao amin' io firenena io, satria mazava ho azy fa tsy misy na inona na inona hatao izay mety hanohintohina ny zo sivika sy ara-pivavahan' ny vondrom-piarahamonina tsy jiosy misy ao Palestina", araka ny nofaritan'cny Fanambaràna Balfour tamin' ny 2 Nôvambra 1917 ary nampidirina indray tao anatin' ny fepetran' ilay fiahiana.
Hatramin' ny 29 Septambra 1923 ka hatramin' ny fiafaran' ilay faniraham-pitantanana britanika tamin' ny volana Mey 1948, i Palestina ambany faniraham-pitantanana dia nahitana ny Salavantanin' i Gaza ankehitriny, ny Fanjakan' i Israely (afa-tsy ny Lembalemban' i Golan), ary i Jôrdania Andrefana.
Nitombo avy amin' ny 525 000 (Mozilmana), 60 000 (Jiosy, araka ny voalazan' i Justin McCarthy sy i Henry Laurens ary i Nadine Picaudou), ary 70 000 (Kristiana) tamin' ny taona 1914 ny isan' ny mponina tao Palestina ka lasa 1 181 000 (Mozilmana), 630 000 (Jiosy) ary 143 000 (Kristiana) tamin' taona 1947, taloha kelin' ny faran' ny fiahiana.
I Palestina ambany faniraham-pitantanana dia toerana nisian' ny fifandonana mahery vaika teo amin' ny Arabo sy ny Jiosy palestiniana izay samy nanao fitakiana nasiônalista tsy azon' ny Britanika nampihavanina. Noho izany, teo anelanelan' ny taona 1936 sy 1939 dia nipoaka ny Fikomiana arabo palestiniana
Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa dia nosoloina ny Firenena Mikambana ny Fikambanan' ny Firenena sy ny rafitra faniraham-pitantanana. Tamin' ny 25 Mey 1946, dia noforonina ny Emiratan' i Transjôrdania. Tamin' ny Febroary 1947, ny Britanika dia namerina ny raharaha momba an' i Palestina sy ny andraikitr' izy ireo amin' ny Firenena Mikambana. Nifarana ny faniraham-pitantanana tamin' ny fananganana ny Fanjakan' i Isiraely, tamin' ny 14 Mey 1948 tao Tel Aviv, nataon' ny filankevitry ny Yishuv[1], notarihin' i David Ben-Gurion (15 Mey no andro farany naha tao Palestina ny fitondrana britanika, izay niaingan' ny Kômisera Ambony Britanika farany), izany dia niteraka ny Ady Arabo-Israeliana voalohany.
Loharano sy fanamarihana
- ↑ Ny Yishuv dia ny Jiosy rehetra tany Palestina talohan' ny fananganana ny Fanjakan' i Israely