Trano fiangonana
Ny trano fiangonana na fiangonana na eglizy dia trano naorina mba hivorian' ny Kristiana, ampiasaina amin' ny fanompoam-pivavahana sy amin' ny hetsika ara-pivavahana kristiana hafa. Naorina teo anelanelan' ny taona 233 sy 256 ny fiangonana kristianina voalohany fantatra.
Indraindray, ny teny hoe fiangonana dia ampiasaina amin' ny alalan' ny fanoharana sy amin' ny fahatsorana hilazana ny tranon' ny fivavahana hafa, toy ny môsken'ny silamo sy ny sinagôga jiosy. Ampiasaina koa ny teny hoe fiangonana mba hilazana ny fivorian' ny mpino kristiana, fa ny hoe "Fiangonana" na "Eglizy" kosa dia azo ampiasaina hanondroana ny fiangonana kristianina maneran-tany amin' ny ankapobeny.
Amin' ny maritrano kristiana nentim-paharazana dia matetika mienerika hazofijaliana na lakroa kristiana ny drafitry ny fiangonana izay ahitana lalantsara afovoany sy andalan-tseza amin' ny ilany akavia sy ankavanana, ary ny alitara na ôtely no mitsivalana eny aloha. Manana endrika sy hakanto ara-maritrano isan-karazany ny fiangonana ankehitriny. Misy trano sasany natao ho an' ny tanjona hafa izay novana ho fiangonana, fa misy koa ny fiangonana tany am-boalohany izay ampiasaina ho amin' ny tanjona hafa.
Nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny taonjato faha-14 dia nisy ny onjam-panorenana fiangonana tany Eorôpa Andrefana. Amporisihin' ny mpitondra fivavahana sy vatsiana ara-bola amin' ny alalan' ny fanomezana ataon' ny mpino tsotra (laîka) ary tanterahin' ny mpanao taozavara sy mpanao zavakanto ny fanorenana azy. Nivoatra nandritra ny taonjato maro araka ny halehibeny sy ny asany ny firafitry ny maritranon' ny fiangonana.
Mikina amin' ny manam-pahefana ara-pivavahana na amin' ny manampahefana ara-panjakana ny fikojakojana ny fiangonana, arakaraka ny firenena misy ilay fiangonana, ary ny fiarovana ireo izay tena miavaka dia raisina an-tanana ao anatin' ny pôlitika fiarovana ny lova ara-kolontsaina. Fiangonana maro maneran-tany no manan-danja lehibe ara-tantara, amin' ny maha firenena, ara-kolontsaina ary ara-javakanto, ary maro no noraisina ho Lova Iraisam-Pirenen' ny UNESCO.