Aller au contenu

Ahmed Yassin

Avy amin'i Wikipedia
Ahmed Yassin

I Sheikh Ahmed Ismail Hassan Yassin dia mpanao pôlitika sy imam palestiniana izay nanangana ny Hamas, izay fikambanana islamista mpitolona sy nasiônalista palestiniana ao amin' ny Salavantanin' i Gaza tamin' ny 1987. Izy no mpitarika ara-panahy ilay fikambanana taorian' ny nananganana azy. Teraka tamin' ny 1 Janoary 1937 tao tao al-Jura, vohitra kely akaikin' i Ashkelon, izy ary maty tamin' ny 22 Marsa 2004 tao Gaza. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe الشيخ أحمد إسماعيل حسن ياسين.

I Yassin, izay malemy tongotra aman-tanana sady saika jamba, dia tsy afa-misaraka amin' ny seza misy kodiarana noho ny lozam-piarakodia nahazo azy tamin' ny faha-12 taonany. Tamin' ny taona 2004 dia maty votifitry ny balafomanga nalefan' ny helikôptera israeliana izy teo am-pivoahana ny toeram-pivavahana rehefa nahavita ny vavaka mangirandratsy (arabo:صلاة الفجر / ṣalāt al-fajr,) tao Gaza. Nomelohin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ilay fanafihana, izay nahafaty ny mpiambina azy roa lahy sy olona sivy teo an-toerana. Palestiniana 200 000 any ho any no nanatrika ny fandevenana azy tao Gaza.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy