Aller au contenu

Astarte

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' ny andriamanibavy Astarte

I Astarte dia andriamanibavy tao amin' ny tontolo helenistika, izay tsy iza fa ilay andriamanibavy tany Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha atao hoe ʿAṯtart. I ʿAṯtart dia andriamanitra semitika avaratra-andrefana mitovy amin' ny andriamanibavy semitika atsinanana atao hoe Istara (Ishtar). Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἀστάρτη / Astartē.

I Astarte dia nivavahana tamin' ny Andron' ny Alimo hatramin' ny Andro Taloha Klasika, ary ny anarany dia mifandray manokana amin' ny fivavahana aminy tao Ampiposahana taloha teo amin' ny Kananita sy Fenisiana, na dia nifandray tamin' ny tanàna amôrita toa an' i Ogarita (Ugarit) sy Emara (Emar) aza izy tamin' ny voalohany, ary koa i Mari sy Ebla. Notompoina tany Ejipta koa izy, indrindra fa tamin' ny andron' ny Ramesida, taorian' ny fampidirana ny sekta vahiny maro tany. Nampiditra ny fivavahany tany amin' ny zanataniny tany amin' ny Saikanosy Iberika ny Fenisianina.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy