Aller au contenu

Azazela

Avy amin'i Wikipedia
I Azazela, sary ao amin' ny Dictionnaire infernal nosoratan' i Collin de Plancy.

Ny anarana hoe Azazela dia hita ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin' ny soratra apôkrifa sasany ilazana ny anjely potraka iray. Any aminy no andefasana osilahy hitondra ny fahotan' ny Jiosy mandritra ny fetin' ny Yom Kippur (hebreo: יוֹם כִּיפּוּר). Enti-manondro demony tamin' ny Andro Taloha tao amin' ny Kanaanita fahizay izay ninoany fa mitoetra any an-tany efitra io anarana io.

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hebreo hoe עֲזָאזֵל / Azazel dia midika hoe "Mampahery Andriamanitra", amin' ny fampiasana ny fototeny hoe azaz sy ny hoe El izay manondro an' Andriamanitra.

Araka ny loharano hafa dia avy amin' ny teny hoe azel izay midika hoe "misintona", "manaisotra" ny hoe azazel ka midika hoe "manaisotra manontolo". Ny Septoajinta, izay fandikana amin' ny teny grika ny Baiboly hebreo, dia miombon-kevitra amin' izany. I Gesenius ao amin' ny Fitsipiteny hebreo nosoratany dia miolmbon-kevitra amin' io koa. Ny raki-boambolana Strong anefa milaza fa "osilahy mpamita iraka" ny hoe azazel.

Ny anarana hoe Azazel dia fanovan' ny teny hebreo hoe Azael na Azrael (hebreo: עֲזַרְאֵל) izay avy amin' ny fototeny hoe oz izay midika hoe "hery". Ampiasaina koa ny anarana hoe Ramiel (hebreo: רַעַמְאֵל) sy Gadriel (hebreo: ) hanondroana io demony io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy