Aller au contenu

Fanelanelanan' ny olo-masina

Avy amin'i Wikipedia
"Amin' izao fankalazantsika ny andro nahaterahan' ity lehilahy lehibe ity izao, ilay mpialoha lalana ny Tompo, i Joany voatahy, dia aoka isika hangataka fanampiana amin' ny vavaka ataony. Satria sakaizan' ny mpampakatra izay hitanao izy, ka afaka mahazo ho antsika koa ny haha an' ny mpampakatra antsika, mba hatao miendrika hahazo ny fahasoavany isika". – Md Aogostino[1]

Ny fanelanelanan' ny olo-masina dia fotopampianarana kristiana izay milaza fa afaka mifona amin' Andriamanitra ho an' ny hafa ny olo-masina. Ny manelanelana dia madroso na miverina eo anelanelan' ny andaniny sy ny ankilany, miangavy ny voalohany ho amin' ny tombontsan' ny faharoa. Amin' ny fampiasana ny teny hoe "manelanelana" sy "fanelanelanana" eo amin' ny sehatry ny fiangonana dia raisina amin' ny hevitry ny fidirana an-tsehatr' i Kristy, voalohany indrindra, ary faharoa amin' ny fidirana an-tsehatry ny Virjiny Masina sy ny anjely ary ny olo-masina, ho amin' ny anaran' ny olombelona sy ho amin' ny tombontsoany. Tohanan' ny Katôlika, ny Ôrtôdôksa Tatsinanana, ny Fiangonana Asiriana any Atsinanana, ny Ôrtôdôksa Atsinanana, ary ny Loterana sasany sy ny Anglikana (indrindra ny an' ny Eglizy Katôlika Evanjelika na Anglô-Katôlika) io fotopampianarana io. Hita ao amin' ny asasoratra kristiana nanomboka tamin' ny taonjato faha-3 ny fanao momba ny fangatahana ny fanelanelanan' ny olo-masina.

Ny Fanekem-pinoana Apôstôllika tamin' ny taonjato faha-4 dia milaza ny finoana ny fiombonan' ny olo-masina, izay heverin' ny fiangonana sasany ho manohana ny fanelanelanana ataon' ny olo-masina. Na izany aza, ny fanao mitovy amin' izany dia iadian-kevitra ao amin' ny jodaisma sy ny silamo ary ny prôtestantisma.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. On the Birthday of Saint John the Baptist, Sermon 293B:5:1. "Against superstitious midsummer rituals." Augustine's Works, Sermons on the Saints, (1994), Sermons 273–305, John E. Rotelle, ed., Edmund Hill, Trans. p. 165.
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy