Aller au contenu

Fantsombe fitaterana

Avy amin'i Wikipedia
Fantsombe fitaterana amin' ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon' ny tany any Aostralia.

Ny fantsombe fitaterana na fantsombe dia fitaovana natao hitaterana akora hanaka (ranoka, etona, sns), vita amin' ny fantsona sy kojakoja hafa fanampiny (fanidy fantsona, fanidy lakandrano, sns.), izay matetika voalamina ao anaty tambajotra.

Ny vokatra taterina amin' ny alalan' ny fantsombe dia amin' ny ankapobeny ny solitany sy akoranafo amin' ny endrika ranoka hafa, ny etona voajanahary ary etona fandrehitra hafa, ary koa ny akora simika sasany.

Ny fandalovan' ny vokatra ara-tsakafo (labiera, ronono, voamaina, voamadinika, sns.) amin' ny fantsona lava, sy koa ny famoahana sintomin' ny vesatra (rano maloto, ranon' orana, sns.), na koa ny famatsiana rano amin' ny tambajotran-drano (atosiky ny môtera), dia azo ampidirina amin' ny heviny malalak' ity teny ity koa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy