Aller au contenu

Goatemala

Avy amin'i Wikipedia
República de Guatemala ((es))
((es))
Repoblikan'i Goatemala ((mg))
Sain'i Goatemala Mari-piandrian'i Goatemala
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Libertad
Teny ofisialy Espaniola
Renivohitra Guatemala
14°37′N 90°31′W / 14.617°N 90.517°W / 14.617; -90.517Coordinates: 14°37′N 90°31′W / 14.617°N 90.517°W / 14.617; -90.517
Tanàna lehibe indrindra Guatemala
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
 - Filoha faharoa
Repoblika
Alejandro Giammattei
Guillermo Castillo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 104
108 890 km²
0,4 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 68
13 824 463[1] mpo.
125,6 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Goatemaliteka,
IDH (2004) 0,673 (moyen) faha 117
Sandam-bola Quetzal goatemaliteka, Dollar amerikana (GTQ)
Faritr'ora UTC -6
Hiram-pirenena Guatemala Feliz
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+502

I Goatemala dia firenena ao Amerika Latina izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika sy ny ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika. Ny renivohiny dia i Guatemala. Manana velaran-tany mirefy 108 890 km2 izy ary misy mponina miisa 17 153 288 tamin' ny taona 2020. Atao hoe Goatemalteka ny mponina ao.

Mamakivaky ny tanim-pirenen' i Goatemala avy any atsinanana ka hatrany andrefana i Sierra Madre, izay tandavan-tendrombohitra ipoiram-bolkano (ny tendrony avo indrindra amin' izany dia ny afotroa Tajumulco izay manana haavo 4 220 m). Vokatr' izany dia manana vohon-tany ahitana endrika mifanohitra io firenena io: mifanohitra amin' ny lemaka amoron-tsirak' i Pasifika sy amin' ny tany mafana ao Petén (izay lembalemba midadasika any avaratry ny firenena ary rakotra ala mikitroka) ny tany avo ao afovoany. Ny ankamaroan' ny afotroa any Goatemala dia maty, nefa miseho matetika ny horohoron-tany.

Mizara roa ny fiaraha-monina goatemalteka, izay katôlika ny ankamaroany: ao ny Indiana avy amin' ny Maia (65 %-n' ny mponina) izay mahantra, monina indrindra any amin' ny faritra avo tsy mahavokatra; ary ao ny Ladinô (safiotra sy taranaky espaniôla) izay mipetraka any an-tanàn-dehibe; lehibe ny tsy fitoviana eo amin' ny vondrona roa tonta. I i Goatemala no firenena be mponina indrindra any Amerika Afovoany. Manodidina ny 60 %-n’ ny mponina no mipetraka any ambanivohitra.

Ny kafe no volena indrindra ao amin' ilay firenena, mitentina efa ho ny antsasaky ny vola azo amin' ny fanondranana ny vola azo avy amin' ity fambolena ity. Ny fanodinana sakafo sy ny fanamboarana lamba no asa indostrialy ao. Nanomboka tamin' ny Ady Lehibe Faharoa dia namporisika ny fampiroboroboana ny indostria ny fitondram-panjakana ao Goatemala mba hahatonga ny toekarena tsy hiankin-doha loatra amin' ny famokarana kafe sy akondro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Université de Sherbrook. Perspective Monde, Guatemala, En ligne
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy