Aller au contenu

Hônôrio III

Avy amin'i Wikipedia
Ny papa Hônôrio III

I Hônôrio III na Hônôre III dia papa faha-177 izay nitantana ny Fiangonana katôlika tamin' ny taona 1216 hatramin' ny 1227. Teraka tao Rôma tamin' ny fotoana tsy fantatra izy ary maty tamin' ny 18 Marsa 1227. I Cencio Savelli no anarany talohan' ny naha papa azy. Izy no nampandeha ny kroazada fahadimy izay teraka noho ny fanapahan-kevitr' i papa Inôkentio III nodimbiasiny tamin' ny kônsily fahefatra tao Latràna. Nanohana ny kroazada niadiana tamin' ny Albigesy koa izy. Atao hoe Honoré III izy amin' ny teny frantsay, Honorius III amin' ny teny anglisy sy amin' ny teny latina ary Onorio III amin' ny teny italiana.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy