Aller au contenu

Idrisy

Avy amin'i Wikipedia
I Idrisy mitsidika ny Lanitra sy ny Helo. Sary avy amin' ny sora-tanana persiana tamin' ny taona 1577 momba ny Tantaran' ny Mpaminany.

I Idrisy dia mpaminanin' ny silamo voalaza ao amin' ny Kor'any, izay heverin' ny Mozilmana fa mpaminany fahatelo taorian' i Seta. Izy no mpaminany faharoa voalaza ao amin' ny Kor'any. Ny lovantsofina silamo dia niray feo nanondro an' i Idrisy ho i Henôka ao amin' ny Baiboly. Maro ny manam-pahaizana mozilmana tamin' ny Andro Taloha klasika sy tamin' ny Andro Antenatenany izay nihevitra fa olona iray ihany i Idrisy sy i Hermesy Trismegistôsy. Amin' ny teny arabo izy dia itao hoe إدريس /ʾIdrīs.

Voalaza ao amin' ny Kor'any fa "mendri-pitokisana" sy "mahari-po" ary ny Kor'any koa dia milaza fa "nasandratra ho any amin' ny toerana ambony" izy. Noho izany sy ny noho ny fisian' ny fitovian-dahatsoratra hafa, dia iheverina ho i Henôka ao amin' ny Baiboly i Idrisy, ary ny lovantsofina silamo matetika dia mametraka an' i Idrisy ho ao amin' ireo Taranaka voalohan' i Adama, ary mihevitra azy ho iray amin' ny mpaminany tranainy indrindra voalaza ao amin' ny Kor'any, mametraka azy eo anelanelan' i Adama sy Nôa. Ny maha tokan-tsata an' i Idrisy dia nanentana ny fitantarana maro taty aoriana momba azy ao amin' ny lovantsofina silamo.

Araka ny hadita, notantarain' i Malik ibn Anas ary hita ao amin' ny Sahih Muslim, dia voalaza fa tamin' ny dian' i Mohamady tamin' ny alina dia nifanena tamin' i Idrisy tany amin' ny lanitra fahefatra izy. Ny lovantsofina izay nivoatra manodidina an' i Idrisy dia manao azy ho mpaminany sy filôzôfa ary mistika, ary maro ny mistika mozilmana taty aoriana, na Sofy, anisan' izany i Ruzbihan Baqli sy Ibn Arabi, izay nilaza ihany koa fa nihaona tamin' i Idrisy tao amin' ny fahitana ara-panahy.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy