Aller au contenu

Jôrama (mpanjakan' i Israely)

Avy amin'i Wikipedia

I Jôrama na Jehôrama dia mpanjakan' i Israely nandritra ny 11 taona nanomboka tamin' ny taona 852 tal. J.K. hatramin' ny taona 841 tal. J.K. Ny mpanjaka Ahaba no rainy ary i Jezebela no reniny. Nandimby ny zokiny Ahazia (na Ôkôziasa) izy teo amin' ny fanjakana tao Samaria (na Israely avaratra) alohan' ny namonoan' i Jeho azy. Tsy afangaro amin' i Jehôrama na Jorama mpanjakan' i Jodà izy.

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יְהוֹרָם‎ / Yəhōrām na יוֹרָם / Yôrām. Ao amin' ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy izany dia soratana hoe Jôrama fa amin' ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy kosa dia Jehorama.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy