Aller au contenu

Leviatàna

Avy amin'i Wikipedia
Leviatàna

I Leviatàna na ny leviatana dia bibilava an-dranomasina resahina ao amin' ny teôlôjia sy ny fedrà. Atao hoe לִוְיָתָן / Līvyāṯān izy amin' ny teny hebreo. fa Λεβιάθαν / Lebiathan kosa amin' ny teny grika. Voaresaka ao amin' ny boky maromaro ao amin' ny Baiboly hebreo izy io, anisan' izany ny Salamo (Salamo 74:14; 104:26) sy ny Bokin' i Jôba (Jôba 3:8; 40:25–41:26) ary ny Bokin' i Isaia (Isaia 27:1). Resahina ao amin' ny Bokin' i Henôka (Henôka 60:7–9; 60:24) izay pseodepigrafa izany biby izany. Ny Leviatana dia matetika anehoana ny fikorontanana (khaos), mandrahona ny hihinana ny olom-boaozona rehefa tapitra ny fiainany. Amin' ny farany dia ho foanana izy. Ny teôlôjiana kristiana dia mihevitra fa i Leviatana dia ny demonin' ny fitsiritan' ny fahotana mahafaty. Araka ny Diagrama Ôfita, ny Leviatana dia mandrakotra ny habaky ny tontolo azo tsapain-tanana.

Ny Leviatana ao amin' ny Bokin' i Jôba dia mifanandrify amin' i Lôtàna (Lutan) kananita izay tranainy kokoa, biby goavam-be tamin' ny fotoana voalohany resin' ny andriamanitra Baal-Hadad (en). Ny fitoviana eo amin' ny anjara asan' i Tiamat (en) mesôpôtamiana resin' i Marduk dia efa hita hatry ny ela tao amin' ny haifedrà fampitahana, toy ny fampitahana mivelatra kokoa amin' ny tantaran' ny dragona sy ny bibilavan' izao tontolo izao, toa an' i Indra (en) izay namono an' i Vrtra na i Thor namono an' i Jörmungandr. Ao amin' ny Baiboly hebreo, ny Leviatàna koa dia manondro ny fahavalo mahery, indrindra fa i Babilôna (Isaia 27:1). Nisy manam-pahaizana sasany tamin' ny taonjato faha-19 izay nihevitra azy io ho zavamananaina lehibe anaty rano, toy ny mamba na ny voay. Taty aoriana io teny io dia nampiasaina hilazana ny trozona lehibe sy ny biby goavam-be any an-dranomasina amin' ny ankapobeny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy