Aller au contenu

Lomé

Avy amin'i Wikipedia
Araben' ny Tafika ao Lomé

I Lomé no renivohitr' i Tôgô sady tanàna lehibe any. Any amin' ny farany atsimo-andrefana amin' ilay firenena no misy azy, eo amin' ny morontsiraky ny Hoalan' i Ginea. Ny tangoron-tanàn-dehibe misy azy dia misy mponina miisa 2 200 000 fa ilay tanàna kosa dia onenan' ny mponina miisa 1 306 000 tamin' ny taona 2023.

Miitatra hatrany amin' ny sisintany manasaraka azy amin' i Ganà ny tangoron-tanàn-dehibe miaraka aliny, izay any amin' ny zato metatra any andrefan' ny afovoan-tanàna, hatrany amin' ny tanàna ganeanan' i Aflao sy ny distrikan' i Ketu Atsimo, izay nisy mponina 160 756 tamin' ny taona 2010.

Tsy tanàna naorin' ny fahefana mpanjanaka na koa tanàna nentim-paharazana i Lomé, fa vohitra kely nivoatra no tanàn-dehibe. Izy io dia naorin' ny Eve tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 ho an' ny varotra. I Lomé dia mampifangaro ny fomban-drazana misy animisma (tsenan' ny mpanao ody) sy ny fiainam-pandrosoana, asehon' ny trano fandraisam-bahiny mirenty sy tranon' ny banky.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy