Aller au contenu

Sista

Avy amin'i Wikipedia
Sista mena any Vendée (Frantsa).

Ny sista dia vato metamôrfika, manana endrika manokana noho izy fitambarana takelaka madinika maro be mifanakaiky sy mirazotra, azo saratsarahana ho takelaka manify, izay ahitana ny kristalin' ny mineraly fototra. Ny vato misy sista isan-karazany dia nomena anarana sy voafaritra araka ny mineraly lehibe indrindra izay niandohan' ny fiforonan' ny takelaka madinika.

Ny sista manan-danja dia ny mikasista, ny klôritôsista ary ny talksista. Amin' ny ankapobeny, ny vatokaranana (na koaritsa) no mineraly faharoa lehibe indrindra. Ny vato misy sista mahazatra indrindra sady metamôrfika mahazatra indrindra aorian' ny gnesy dia ny mikasista. Ity vato ity dia misy eladrano (na mikà), matetika amin' ny endrika biôtite na moskôvita, ary vatokaranana amin' ny fatra kely kokoa. Ny sista izay misy mineraly faharoa dia tondroina amin' ny anaran' ilay mineraly faharoa manan-danja indrindra: mikasista, kalsifera, sns.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy