Aller au contenu

Targoma

Avy amin'i Wikipedia
Targoma

Ny Targoma dia dikan-teny arameana am-bava somary ara-bakiteny amin'ny ampahan'ny Baiboly hebreo ampiasaina ao amin'ireo sinagoga tany Palestina sy Babilona. Taorian'ny fahababoana babiloniana tamin'ny taonjato faha-6 tal. J.K. dia nosoloan'ny fiteny arameana ny fiteny hebreo ka nilaina ny hanazava ny hevitry ny Baiboly hebreo. Vitsivitsy amin'ireo Targoma am-bava maro no sisa voasoratra amin'izao fotoana izao, ka isan'ireo:

  • ny targoma avy ao Jodea: targoma amin'ny Torah, izay fantatra amin'ny anarana hoe Targoman'i Onkelosy (Targum Onkelos), sy ny targoma amin'ny Mpaminany (Nevi'im) atao hoe Targoman'i Jonatana (Targum Yonathan);
  • ny targoma voasoratra taty aoriana kokoa sady tsy feno atao hoe Targoman'i Jerosalema (Targum Yerushalmi) izay momba ny Pentateoka (na Torah);
  • ary ny targoma amin'ny amin'ny Salamo, ny Joba, ny Ohabolana, ny targoma dimy atao hoe Megilà, izany hoe "sora-tanana", dia ny Tononkira dia Tononkira, ny Rota, ny Fitomaniana, ny Estera, ny Mpitoriteny (na Eklesiasta), ny Tantara, ary ny fanampin'ny Bokin'i Estera.

Atao hoe תרגום / targum ny targoma amin'ny teny hebreo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy