Aller au contenu

Virosy Ebola

Avy amin'i Wikipedia
Virosy Ebola

Ny virosy Ebola dia otrik' aretina izay niteraka aretina tazo miaraka amin' ny fahaverezan-drà be nahazo ny olombelona sy ny rajako sy ny karazany, ka niteraka valan' aretina nalaza noho ny fielezany sy ny hamaron' ny olona matiny. Ny fikasohana mivantana amin' ny tsiranoky ny vatana no mamindra azy amin' ny samy olombelona. 25% sy 90% ny taham-pahafatesan' ny olona azon' ny aretim-birosy Ebola. Nandringana olona maro tao Afrika Andrefana ilay aretina tamin' ny taona 2014 sy 2015, 39,5% ny tahan' ny olona maty amin' ny voan' ilay aretina tamin' ny 27 Marsa 2016, ka 11 323 ny isan' ny maty tamin' ny marary voamarina miisa 28 646. Taorian' ny fanaovana andrana tamin' ny taona 2015 tao Ginea dia nisy vaksiny voalohany nambara tamin' ny taoa 2016 sady nampiasaina tamin' ny fanaovam-baksiny faobe tao Afrika Andrefana tamin' ny taona 2017 sy tao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô tamin' ny taona 2019.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy