Aller au contenu

Volamahery

Avy amin'i Wikipedia
Platinina kristaly

Ny volamahery na platinina dia singa simika somary volondavenona, tsy fahita firy, somary malefaka (hamafy 4,3) ary tsy mety simba, mitondra ny laharana atômika 78, nomena ny eva Pt.

Azo volavolaina izy io, miitatra kely amin' ny hafanana ary manana tohitra araka aratra lehibe. Tsy mety kikisan' ny rivotra na ny rano na ny asidra na ny mpiota mahazatra ity metaly ity. Levona moramora ao anaty taharon' ny asidra klôridirika sy ny asidra nitrika marihitra izy ka mamorona klôriora-na platinika, manana raikipohy PtCl4. Ny platinina dia voakikin' ny halôzenina ary mitambatra amin' ny hidrôksida-na sôdiôma amin' ny fandoroana, amin' ny nitrata-na sôdiôma ary amin' ny sianiora-na sôdiôma. Ny platinina dia manana tebo-pitsonihana ambony, manodidina ny 1 768 °C; mangotraka izy manodidina ny 3 825 °C; manana hakitroka avo dia avo eo amin' ny 21,1 eo ho eo ary ny lanja atômikany dia 195,08.

Noho ny platinina tsy mandray anjara amin' ny fiota simika sy noho ny fananany mari-panam- pitsonihana avo dia avo, ity metaly ity dia ampiasaina amin' ny fitaovana ampiasaina anaty laboratoara maro, toy ny memy (fandrehetana metaly), ny tandra, ny fantsona ary fitaovana fandoroana sy fanetonana. Ny platinina koa dia ampiasaina amin' ny fampifandraisana amin' ny fitaovana mandeha aratra sy amin' ny fitaovana fandrefesana hafanana ambony. Ampiasaina betsaka amin' ny indostrian' ny simia toy ny mpandrisikoto, rehefa miendrika vory ny platinina. Ampiasaina betsaka koa ny platinina amin' ny fanamboarana firavaka, izay ampiraisana azy amin' ny volamena. Amin' ny fitsaboana nify dia vita amin' ny platinina ny fanentsenana nify loaka sasany. Ny toetran' ny platinina dia mahatonga azy ho anisan' ny akora fanodina stratejika valo heverina ho ilaina amin' ny fotoan' ny ady. Sarobidy noho ny volamena izy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy