Aller au contenu

Bokin' ny Kônkôrdia

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 1 Novambra 2024 à 13:25 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Fenitry ny foto-pampianarana ara-tantaran' ny loteranisma)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
Ny Bokin' ny Kônkôrdia

Ny Bokin' ny Kônkôrdia, na Bokin' ny Kônkôrda, atao amin' ny teny latina hoe Concordia, matetika antsoina hoe Kônfesiôna Loterana, no fenitry ny foto-pampianarana ara-tantaran' ny Fiangonana Loterana, izay ahitana tahirin-kevitra folo momba ny finoana, ekena ho manana fahefana ao amin' ny loteranisma nanomboka tamin' ny taonjato faha-16. Ireo tahirin-kevitra ireo dia fantatra amin' ny anarana hoe boky simbôlikan' ny Fiangonana Loterana ara-Pilazantsara.

Navoaka tamin' ny teny alemàna ny Bokin' ny Kônkôrdia tamin' ny 25 Jona 1580 tany Dresden, izay fahadimampolo taonan' ny fanehoana ny Kônfesiôna Aogostana tamin' ny emperora Charles V tao amin' ny Fivoriana natao tao Augsburg. Navoaka tamin' ny taona 1584 tany Leipzig ny fanontana latinina.

Ireo izay manaiky azy io ho fenitra ara-poto-pampianarana dia manao azy ho famelarana azo itokiana ny Baiboly. Lazaina ao amin' ny Bokin' ny Kônkôrdia fa ny Soratra Masina no hany loharano sy fenitra avy amin' Andriamanitra ho an' ny fampianarana kristiana rehetra.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy