Aller au contenu

Baala

Avy amin'i Wikipedia

Baala no anarana iantsoana ireo andriamanitra maro nivavahan' ny vahoaka semitika taloha, izay ninoany fa miantoka ny fahavokaran' ny tany sy ny biby fiompy. Misy koa ny manoratra hoe Bala. Nianatra ny fanompoam-pivavahana amin' i Baala, mpiantoka ny fahavokaran' ny tanin' ny tantsaha kananita, ny Israelita ka nahatezitra ny mpaminanin' i Israely izany. Ankoatry ny fanaovana fanatitra voankazo sy voalohan-teraky ny biby fiompy dia tsy tena fantatra ny fombafombam-pivavahana atao amin' i Baala. Lehibe noho ny alitara (na ôtely) ny fitoerana masina anompoana an' i Baala. Ahitana ny simbôlin' ny andriamanibavy Istarata (izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Astarte) sy orim-bato masina ny eo akaikin' ireo alitara ireo.

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy