Aller au contenu

Faritany eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Faritany eto Madagasikara: 1-Antananarivo, 2-Antsiranana, 3-Fianarantsoa, 4-Mahajanga, 5-Toamasina, 6-Toliara

Ny faritany eto Madagasikara dia fizaràna' ny tanim-pirenena malagasy ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika izay miisa enina. Ireto avy izy ireo:

  1. Faritanin' Antananarivo,
  2. Faritanin' Antsiranana,
  3. Faritanin' i Fianarantsoa,
  4. Faritanin' i Mahajanga,
  5. Faritanin' i Toamasina,
  6. Faritanin' i Toliara.

Teo aloha dia nanana ny fizakan-tenany ny faritany enina eto Madagasikara, ka natsoina hoe "faritany mizakatena". Amin' ny lafiny fanapariaham-pahefana dia voatsinjara ho distrika maromaro ny faritany iray. Ao amin' ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany eto Madagasikara, saingy tsy misy fanatanterahana izany ka lasa faritany ara-pitantanana ho amin' ny sampan-draharaham-panjakana sasany fotsiny izy ireo.

Fizaràna ny faritany ho faritra

[hanova | hanova ny fango]

Ankehitriny dia nozaraina ho faritra 24 ireo faritany ireo: Diana, Sava, Itasy, Ambatosoa, Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava, Sofia, Boeny, Betsibola, Melaky, Alaotra-Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Amoron' i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo-Atsinanana, Ihorombe, Menabe, Atsimo-Andrefana, Androy, ary Anosy.

Faritra sy mponina (tombana tamin'ny taona 2004)
Number Faritra Renivohitra Mponina Velarana (km²) Hakitroky ny mponina
1 Diana Diego I 485,800 19,266 25.2
2 Sava Sambava 805,300 25,518 31.6
3 Itasy Miarinarivo 643,000 6,993 91.9
4 Analamanga Antananarivo-Renivohitra 2,811,500 16,911 166.3
5 Vakinankaratra Antsirabe I 1,589,800 16,599 95.8
6 Bongolava Tsiroanomandidy 326,600 16,688 19.6
7 Sofia Antsohihy 940,800 50,100 18.8
8 Boeny Mahajanga I 543,200 31,046 17.5
9 Betsiboka Maevatanana 236,500 30,025 7.9
10 Melaky Maintirano 175,500 38,852 4.5
11 Alaotra-Mangoro Ambatondrazaka 877,700 31,948 27.5
12 Atsinanana Toamasina I 1,117,100 21,934 50.9
13 Analanjirofo Fenoarivo_Atsinanana 860,800 21,930 39.3
14 Amoron'i Mania Ambositra 693,200 16,141 42.9
15 Matsiatra Ambony Fianarantsoa 1,128,900 21,080 53.5
16 Vatovavy-Fitovinany Manakara 1,097,700 19,605 56.0
17 Atsimo-Atsinanana Farafangana 621,200 18,863 32.9
18 Ihorombe Ihosy 189,200 26,391 7.2
19 Menabe Morondava 390,800 46,121 8.5
20 Atsimo-Andrefana Toliara 1,018,500 66,236 15.4
21 Androy Ambovombe 476,600 19,317 24.7
22 Anosy Taolagnaro 544,200 25,731 21.1
Faritra eto Madagasikara isaky ny faritany

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna

pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy