Aller au contenu

Kazara (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Ny Empira Kazara

Ny Kazara na Hazara dia vahoaka torkika izay voaporofo fisiana teo anelanelan' ny taonjato faha-6 sy ny taonjato faha-13.

Atao hoe Χάζαροι / Hazaroi izy ireo amin' ny teny grika môderna ga Χάζαροι / Khadzaroi amin' ny teny grika taloha), Хазары / Hazari amin' ny teny rosiana, Hazarlar amin' ny teny tiorka, כוזרים / Kuzarim amin' ny teny hebreo, Хәзәрләр / Xäzärlär amin' ny teny tatara, Hazarlar amin' ny teny tatara krimeana, خرز amin' ny teny persana, Cosri amin' ny teny latina.

Tamin' ny taonjato faha-7, ny Kazara dia nanorim-ponenena tao Kaokazy Avaratra akaikin' ny Ranomasina Kaspiana noho ny fahombiazany maro ara-tafika tamin' ny Sasanida, tarana-mpanjaka zôrôastriana, sy tamin' ny Kalifata, naorina teo amin' ny sisin' i Kaokazy Avaratra. Izy ireo no nisakana ny fanafihan' ny Arabo-Moeilmana any amin' ny tapany atsimon' i Rosia.

Niara-dia tamin' ny Empira Bizantina ny Kazara tamin' ny fanoherana ny Sasanida sy ny Rosin' i Kiev. Noho ny fifandraisany ara-barotra tamin' ny Radanita dia nisy tamin' izy ireo no niova fo ka nanaraka ny jodaisma, izay nataony ho fivavaham-panjakana.

Tamin' ny nagatrarany ny fara tampon' ny tanjany, ny Kazara, niaraka tamin' ny mpanjaka sy vahoaka hafa manompo azy ireo, dia nifehy tany midadasika izay toa mifanitsy amin' ny tapany atsimon' i Rosia, amin' i Okraina, amin' i Krimea avaratra, amin' i Kazakstàna andrefana ary faritra maromaro ao Kaokazy Atsimo toa an' i Azerbaijàna sy i Jeôrjia ary i Armenia.

Rehafa lasa anisan' ny natanjaka indrindra teo amin' ny faritra misy azy ny Kanganata Kazara dia nanapaka ny firaisan-kinany aminy ny Bizantina ary nifamory tamin' ny Rosy sy ny Petsenega, izay noroahin' ny Ôgoza vao haingana hiala ny taniny.

Tany amin' ny faran' ny taonjato faha-10 dia nihena hery tsikelikely ny Empira Kazara mandra-pahatongany ho ao amin' ny Rosin' i Kiev. Nanaraka izany ny fifindràn' ny mponina izay arakaraka ny fananiham-bohitra nifanesy nataon' ny Rosy sy ny Komana ary angamba ny "Andiam-bahoaka volamena" môngôly.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
pFad - Phonifier reborn

Pfad - The Proxy pFad of © 2024 Garber Painting. All rights reserved.

Note: This service is not intended for secure transactions such as banking, social media, email, or purchasing. Use at your own risk. We assume no liability whatsoever for broken pages.


Alternative Proxies:

Alternative Proxy

pFad Proxy

pFad v3 Proxy

pFad v4 Proxy